Ody fitia (Ifanihy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ikala Dauphine (Vol. 2)

Haody Ranokombe o, sady miarahaba
ialako tsiny re raha dia manabataba
Tonga maraindraina aho fa tsy nopoizin-tory
Tsy nihinana fa nalaina, tsy nahatsindry tsy akory(in-2)

Tsy matiko lolo ilay ody fitia
ilay resaka singam-bolo, poa aok’etsy
tahaka ny tsy madio ohatran’ny mampanahy
Raha hifoteran’io, hahita raharaha(in-2)

Toa azoko sary an-tsaina o…o…o…
Izaho sy ilay bera
Sonenika tra-maraina e…e…e…
Eny amin’ny simetiera
Tratran’ny iray tanàna
Dia any amin’ny violon
Dia tsy avelany alàna
Ny “complet marron”

Dia hoa avy ny mpaka sary o…o…o…
Afaka vetivety
Eo fa hanaha vary e…e…e…
Hiseho an-gazety
Hoe indro tovolahy
Nanjary mpamosavy
Voatana eny Tsiafaha
Fa diso matim-bavy (2)

Aoka Ranokombe o…
Mifona aho fa aoka ihany
Dia mionera be
Izay fotoana lany
Ny ahy indray ny olo-tiako
Tsy asiako amin’io
Fa aleo ho kaotiko
Amin’ny fo madio (2)

Rehefa tsy mahazaka o…
Dia manaja tena
Mitady olon-kafa
F’izay no fahendrena
Fa raha hisary adala
Hikiky tapa-kazo
Aleo aho hiala
Mandàna mahazo (2)

Fantatro fa tsy faly o…
Ianao Ranokombe ô
Izaho koa tsy te hijaly e…
Any amin’ny afobe
Aleoko miandrandra
Izay tendrin-janahary
Fa natao ho an’ny nandra
Ny ody tsy manjary

Akiniko amin’ny Avo o…
Ny fitiavako manontolo
Izaho tsy hivarilavo e…
Amin’izay singam-bolo
K’aza omena tsiny aho
Raha ody fitia…
Aleo aho ho virijiny…
Mandrak’izay doria…(2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ifanihy
Vangy : 3921
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zakony
Daty : 13/09/2005 12:50
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0793