SAMIA TSARA E (HERY J.)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
SAMIA TSARA

Efa mba nisy fotoana kely nifankahafantarako taminao
Efa mba nisy ny takariva sy kianja niarahana nilalao
Na ny alahelo na fifaliana izany e
Dia mba niaraha-nizara teto ihany e

Rehefa phocs voatery handeha ianao ka tsy maintsy hisaraka hifandao
Fa ny fotoana tsy mifametra, ny lalako tsy nety ho làlanao
Aza dcttcipx tononkira.serasera.org adinoina ny lasa nitosiana
Mba tehirizo ao anatinao mangina

E e e e
Tsy manadino zahay aty
Tsy manadino ôô
Samia tsara e e
E e e e
N’aiza n’aiza no hisy anao
N’aiza n’aiza ô ô
Dia sambara e e

Tsy mba dia sahiko hatram’izay ny nilaza marina taminao
Hoe tena tiako sy nolalaiko ny nidoladola tanilanao
Fa saro-kenatra mantsy anie ’ty zaho e
Sady natahotra ny ihomehezanao

Maro dia maro ny tsy voalaza sy teny mandodona anatiko ao
Fa ny fotoana dia manampetra, tsy azo tazonina ela ianao
Hafatro tokana ity mba tadidio e
Rehefa mba manina anao kefqqt dia mba valio e

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : HERY J.
Vangy : 3095
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : harityana
Daty : 18/09/2006 12:25
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1491