Kalon'ny any Tyrol (Henri Ratsimbazafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy tany iray any ho any
’zay malaza ho sambatra ery,
paradisa ambonin’ny tany
feno kalo arahana dihy
any hono raha vao maraina
dia mikalo ireo manan’aina.

lailailaiouu lailaiouuuu

Ireo mpiandry ondry any an-tsaha
miran-dava sy tia lalao,
totorebika sy fampitaha
no analany ny androny ao
mba henoy izatsy izy miravo
sy mikalo amin’ny feo avo...

lailailaiouu lailaiouuuu
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Henri Ratsimbazafy
Vangy : 6557
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 22/02/2002 00:34
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136