Fandalovana (Hantatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Taona maro izay, no nandrenesanao ny hirako
Nifamahofao, ireo karaza-pihetseham-po
Tao ny hafaliana, tao ny alahelo koa
Tao ireo resa-maro be nikendrena nakararirary fo
Ny fampaherezana, fanenjehana ahy koa
Taratasy maro be isan'andro maneho firaisam-po
Na tsy arako aza moa ny mamaly azy ireo
Dia tsarovy tsara fa akaikin'ny foko ianareo

Tsy ho adinoko ihany koa ny fiarahana manandram-peo
Izay manafaka ny tahotro rehefa hanatrika anareo
Ireny rehetra ireny anie, an an
Dia hisaorako ny lanitra
Voninahitra anie, an an ho an'Andriamanitra

Avy ny andro iray, ho lefy am-bavanao ny anarako
Fahatsiarovana, no sisa avelan'ny tantarako
Fa izaho ho adinonao, izao rehetra izao handao
Ho voafafa ny fotoana fa kosa ny hira tsy ho foana
Fa satria ny hirako, dia mitory teny soa
Namporisika anareo hankalaza ny anaran'ny Tsitoha
Tsy ho adinoko ianareo n'aiza n'aiza hisy ahy
Ny ezaka nataonareo ihany koa no nanafak'enatra ahy

Tsy ho adinoko ihany koa ny fiarahana manandram-peo
Izay manafaka ny tahotro rehefa hanatrika anareo
Ireny rehetra ireny anie, an an
Dia hisaorako ny lanitra
Voninahitra anie, an an ho an'Andriamanitra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Hantatiana
Vangy : 1940
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Arsih
Daty : 03/04/2020 19:32
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.069