You are here: home > Tononkira > Hajaina 'Jex

TOVOVAVIN’IARIVO (Hajaina 'Jex)

Ref :
Tovovavin’iarivo amin’izao mahatsapa tena
Fa tsara tarehy dia tsy mba miantra
Miseho ho fetsy, miseho ho sarotra takarina loatra
Manara-damoady, maharaka ny tany mivoatra
Miaingitraingitra, tsy misakaiza amin’ny mahantra

Mitodika izay sendra azy
Fa tsara tarehy no namany izy ka malazy
Nefa mihemotra izay mahalala azy
Ny tononkira.serasera.orgao an-tranony tsy mahatana azy
Maroroka izy ka lalaoviny
Ny tovolahy mitovitovy taona aminy
Ny zokiny lavitra no tiany sahady
Hatram’ny efa manambady

Ref

Manomboka amin’ny taonany
Ny fanandrakandramana
Ny fitaoman-dratsin’ny namana
Amin’ny alina no fihaonany
Ny naman-dratsy anie mbola hivadika
Ny ditra anie mbola hivaly ry tovovan'Iarivo

HAJAINA 'JEX

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Hajaina 'Jex
Mpamaky : 866
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Ziona
Tamin'ny : 17/05/2014 10:23:17
ID : 6564

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo