You are here: home > Tononkira > Hajaina 'Jex

MALAGASY ft Isa Roa Telo (Hajaina 'Jex)

Fiv : Malagasy izaho sy ianao
        Malagasy, ndao hiara-dia
        Malagasy izaho sy ianao
        Malagasy, ndao hifankatia

Madagasikara tanindrazanay
Nosy mamiko tsy mba foiko tsy atakaloko
Firenena iray manan-karena tokoa
Ahitana zava-boary kanto, meva sady soa

Toetra tena miavaka no atao filamatra
Tsy inona izany fa ilay fihavanana
Nitaizana antsika hatrizay, hatrany am-piandohana
Isika dia natao ho iray, tsy natao hifanTsiky dia ampyavaka

Nefa raha ny ankehitriny no jerena
Dia ny mifandrafy, mifanala bara-tena
Ka adino avokoa ilay soatoavina
Nefa isika dia iray loharano nipoirana

Ry foko valo ambin’ny folo
Ndao hifampikolokolo
Ndao hifameno, tsy hifampitsara
Hifandefitra, hifampizara
Fiadanana, fihavanana
Ndao hifampihaino, hifanaraka
Hifanaja hevitra, hizatra miaraka
Ndao hifampitsinjo, tsy hihafahafa
Hifandamina, hifampitafa
Satria Malagasy

Fiv in-3
      
Hajaina  ‘Jex

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Hajaina 'Jex
Mpamaky : 1095
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Ziona
Tamin'ny : 17/05/2014 10:26:03
ID : 6562

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo