You are here: home > Tononkira > Hajaina 'Jex

TENY IERANA (Hajaina 'Jex)

Ref :
Asio teny ierana aloha
Mba hampirindra ny fiarahana
Ny foko mantsy rehefa hivoha
Tsy mba hiahanahana

Tsy famonona lolo, tsy fikasana
Fahafoizam-potoana no tadiaviko
Tsy fitsapana fa fahatsapana
Fa hahefa be ny fiarahantsika
Tsy ho fanandrankandramana
Intsony amin’izay ny fitiavana
Isika roa mpinamana
Sady ho mpifankatia no ho mpihavana

Ref

Izao no fepetra ataoko ierako aminao
Aoka hifankahazo amin’ny namako ianao
tononkira.serasera.orgRehafa misy ataoko aminao tsy tantinao
Teneno, fa mbola tsy rano raraka
Mandraisa anjara betsaka
Amin’ny zavatra ataontsika miaraka
Ary inona no hetahetanao
Lazao, lazao fa vonona aho

Andao harenina izao ry tiana
Ny tsy nety taloha rehetra
Andao atao laharam-pahamehana
Ny fitiavana ny kileman’ny olon-tiana
Andao ho aseho amin’ny olon-drehetra
Fa haintsika ny mifanaraka
Haintsika ny mivoatra miaraka
Ka tsy mety mankaleo ny fiarahana

HAJAINA 'JEX

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Hajaina 'Jex
Mpamaky : 1088
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Ziona
Tamin'ny : 17/05/2014 10:22:47
ID : 6565

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo