You are here: home > Tononkira > Firmin

MILA ANAO (Firmin)

Tompo ô niantso Anao aho ka novalianao , Mila Anao aho
Fa tsy noraisinao arak'izay haratsiako aho, Mila Anao aho
Fa mbola fahasoavanao no nasetrinao
Tompo ô ny anilanao no mahatsara ahy

Satria raha Ianao no miahy
Tsisy izay hampanahy, matoky Anao aho
Inty ilay maditranao
Fikiro hatrany hanakaiky anao

Ny famindram-ponao Tompo ô no naha-toy izao ahy
Ny fitahianao Jesosy ô no deraiko izao
Fa raha tsy teo Ianao zava-poana izay rehetra natao
Tsy mety sasatra IaTsiky dia ampynao, misaotra Anao aho

Tompo ô niantso Anao aho ka novalianao
Fitiavana tsy misy tambiny no natolotrao
Ianao ilay tsy miova anio ka ho mandrakizay
Tsy misy hampatahotra ahy izao rehetra izao

Satria raha Ianao no miahy
Tsisy izay hampanahy, matoky Anao aho
Inty ilay maditranao
Fikiro hatrany hanakaiky anao

Ny famindram-ponao Tompo ô no naha-toy izao ahy
Ny fitahianao Jesosy ô no deraiko izao
Fa raha tsy teo Ianao zava-poana izay rehetra natao
Tsy mety sasatra Ianao, misaotra Anao aho

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Firmin
Mpamaky : 5565
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : cmbolatiana
Tamin'ny : 22/01/2014 08:29:38
ID : 6448

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo