You are here: home > Tononkira > Firmin

Tsaroana Foana ( ft Narindra ) (Firmin)

Na dia efa ela no nisarahana
Toa tsaroana foana ilay fiarahana
Manembona anao foana aho é
Tsy miala ao an-doha ny antsika roa

Tsy mety manaiky mihitsy ny saina
Hoe tena vita ny amintsika
Mbola te ho saro-piaro aho é
Toa tsy mampino nefa dia indro

Indrindra rehefa mitamberina ireo lasa
Ny sangisangy izay nahazatra
Tsy hay ho adinoina tsy ho voafafa

Na oviana na oviana
Na anio na any aoriana
Tsy ho fahavaliko mihitsy ianao
Na iza na iza hanankihana
Ilay fitiavantsika roa tsy ho haiko adinoina

Tsapako ireo hadisoako
Nifonako tsy noraisinao aho
Ilay fitia tsy mety miala ato am-poko
Resinao aho babonao aho

Indrindra rehefa mitamberina ireo lasa
Ny sangisangy izay nahazatra
Tsy hay ho adinoina tsy ho voafafa

Na oviana na oviana
Na anio na any aoriana
Tsy ho fahavaliko mihitsy ianao
Na iza na tononkira.serasera.orgiza hanankihana
Ilay fitiavantsika roa

Na oviana na oviana
Na anio na any aoriana
Tsy ho fahavaliko mihitsy ianao
Na iza na iza hanankihana
Ilay fitiavantsika roa tsy ho haiko adinoina

Ilay fahafinaretana kely dia nanimba
Ilay fiarahana tsara no sady mirindra
Nenina tsy aloha fa any aoriana

Ny foko tsy mety mitia olon-kafa
Ny saiko tsy mety mino hoe ianao any an-kafa
Nenina tsy aloha fa any aoriana

Na oviana na oviana
Na anio na any aoriana
Tsy ho fahavaliko mihitsy ianao
Na iza na iza hanankihana
Ilay fitiavantsika roa tsy ho haiko adinoina

Na oviana na oviana
Na anio na any aoriana
Tsy ho fahavaliko mihitsy ianao
Na iza na iza hanankihana
Ilay fitiavantsika roa

Na oviana na oviana
Na anio na any aoriana
Tsy ho fahavaliko mihitsy ianao
Na iza na iza hanankihana
Ilay fitiavantsika roa tsy ho haiko adinoina

Hevitra mandeha

juliette16 (22/01/2016 18:30:29)

atao copie coller amna fichier word :) na imprimena ihany koa

malalarozi (21/04/2015 23:38:09)

Ra te aka an'Io hira io d aona n fomba fanaovana az??Misaotra

Tohiny Hametraka hevitra

Mpihira : Firmin
Mpamaky : 21595
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Ra Pa
Tamin'ny : 18/03/2015 17:57:18
ID : 7307

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo