MANAIKY AHO (Firmin)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MANAIKY AHO
FIRMIN

Tompo ô tsy haiko ny hangina
Fa tena resinao lahatra aho
Ho aiza aho, mahamenatra ahy
Ireo heloka sy ny hadalana natao
Inty aho mahatsapa ny fitiavanao ahy

Mahamay ny fitsapana
Manaiky aho izay no lalana
Hamefenao ahy
K’isaorako anao indrindra
Tompo ô

Nahoana aho moa no tsy hankasitraka foana
Fa ny fiainako dia avy aminao
Nahoana moa no tsy hanaiky aho
F’ianao no naha-toy izao ahy
Ekeko tsy isalasalana ny hitantananao ahy
Ekeko izany
Fa ny fahasoavanao no naha-toy izao ahy

Tompo ô toa ny andro mahaory
Mavesatra indrindra no lalovako
Mafy ny fisarahana @ maha-olombelona
Nefa nanehoanao fahagagana
Na izany aza Tompo Tsitoha
Manaiky aho izay no lalana
Fa ny androko omaly ny ampitso sy androany
Inoako foana fa avy aminao

Nahoana moa no tsy hanaiky aho
Ekeko tsy isalasalana ny hitantananao ahy
Ekeko izany

Anao ny fiainako
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Firmin
Vangy : 22237
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : cmbolatiana
Daty : 24/04/2007 09:32
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113