Tsy an-tery re, tsy vozonina (FIFOHAZANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1
Tsy an-tery re, tsy vozonina
No nidiranao am-piangonana
Tena sitrapo tsy anenenana,
Ka nahoana moa no iagnenana

2
Tsy mba fanjakan'Andriana mahamay
No netezanao hatao batisa indray
Tena sitrapo tsy rombon'olona
Ka nahoana moa no ijanonana?

3
Tsy mba ranomaso
Teren-tsetroka,
No netezanao hilatsaka ho mpandray:
Tena sitrapo tsy misy fitaka,
Ka nahoana moa no misintaka?

4
Raha sitrapo no ivavahana
Aza tia tena, fa ny namana,
Raha sitrapo no iangonana,
Azerizereo ny fialonana;

Fa tsy folo sosona ny lanitra
Tsy mba manan-jay Andriamanitra.
Ny marina atao; ny diso ialao,
Anao ny lanitra!

Fiv
Moa firy sosona ny lanitra,
Ary firy izay Andriamanitra?
Nahoana ianao tsy ho atsy tsy ho aroa?
Tapaho izay hevitrao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : FIFOHAZANA
Hits : 1308
Likes : 0 Like
Created by : mbahoirayihanyizyrehetra
Date : 03/01/2015 18:29
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0737