Tanora ô! mba mihevera fatratra, (FIFOHAZANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1
Tanora ô! mba mihevera fatratra,
Ny andronao dia toy ny vonin-javatra,
Ny tanjakao dia zavona hisaraka,
Ny hazon'aina nosoloan'ny fasana,
Ka mba heveronao
Ao ny raviny manalokaloka;
Ao ny voniny soa mahafinaritra
Mamerovero, anefa tsy maharitra
Ny hazon'aina nosoloan'ny fasana,
Ka mba heveronao

2
Ny tany ve mba manam-pitsaharana?
Ny nofo ve mba manam-panorenana?
Ny saina ve mba manam-piadanana?
Ny hazon'aina nosoloan'ny fasana,
Ka mba heveronao
Ao ny flfaliana toa mihelina
Ao ny fiadanana miserana
Ny fahoriana tonga !
Tsy haintsika tsy ferana,
Ny hazon'aina ve nosoloan'ny fasana,
Ka mba heveronao

3
Ry olona izay mbola mitanondrika,
Ty tany 'ty tsarovy fa maningotra
Ny fo izay miorina eto dia ho fongotra
Ny hazon'aina nosoloin'ny fasana
Ka mba heveronao
He! mandalo ny eto sy mihelina,
Soa nefa tsy azo ianteherana.
He! mamy anefa aoka tsy hatelina
Ny hazon'aina nosoloan'ny fasana
Ka mba heveronao.

4
Edena izao efa voasandratra.
Endrey.endrey,
Ny endriky ny lanitra!
Maneho santatra
Izay efa sambatra,
Fa feno fitoerana mahafinaritra,
Ka mba heveronao.

Ao ny Ray izay feno voninahitra,
Ao Jesosy mbamin'ny voavotra
Fanahy, tena tokin'aina fatratra
'Zay tonga ao dia feno voninahitra
Mandrakizay doria.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0758