Ny Baiboly re dia zava-tsoa tokoa (FIFOHAZANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1
Ny Baiboly re dia zava-tsoa tokoa
Zava-maminay fa nahitanay soa
Ka derao àry sy ataovy an-kira hoe
Ny Baiboly re dia zava-tsoa tokoa
Ny Baiboly no nampiray
Ny fon'ny maro
Mba ho tonga iray.

2
Jereo kely ange itony soa be
'Zay manerana ity Nosy makadiribe,
Ka derao àry sy ataovy an-kira hoe:
Ny Baiboly re dia zava-tsoa tokoa:
Ny Baiboly no mampisava
Ny aizim-be

3
Hevero kely ange,
Isika vory izao
Fa mpanompo sampy Avokoa teo aloha,
Nefa niova izao ho kristianina.
Ny Baiboly re dia zava-tsoa tokoa:
Ny Baiboly no sabatra
Ho entinay ho fandresena.

4
Diniho kely ange
Ny fomba fahizay
Fa sikidy, ody samihafa
No notompoinay,
Fa ankehitriny dia ny Baiboly indray
No manjaka eto an-tanindrazanay
Ny Baiboly, io ihany,
No nandresy ireo rehetra ireo

5
Ny Baiboly re dia zava-tsoa tokoa
Fa mampanantena anay
Fiainana mandrakizay.
Fa hilaozanay ity tany miova ity
Fa misy lanitra tsy mety miova àry
Ny tenin'ny Baiboly
No iankinan’ny fiainanay rahatrizay.

Fiv
Ny Baiboly re dia zava-tsoa tokoa,
Zava-maminay
Fa nahitanay soa,
Ka derao àry
Sy ataovy an-kira hoe:
Ny Baiboly re
Dia zava-tsoa tokoa,
--------
Lien:
Commentaires
mianguol15 ( 06/01/2015 00:43)
mankasitraka eee!!!
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : FIFOHAZANA
Visites : 1992
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : mbahoirayihanyizyrehetra
Date : 02/01/2015 17:56
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0782