lza, vahiny malala, (FIFOHAZANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1
lza, vahiny malala,
Lazao ny anaranareo,
Fa sitrako indrindra, malala,
Ka iza moa ianareo?
'Zahay ilay tena mpanota,
Kanefa nandray indrafo;
Na dliso 'zahay sy nanota,
Ny loza tsy mbola nanjo!

2
Aiza vahiny malala,
No làlan-kalehanareo,
Fa sarotra sady be ala
Ny tany hodiavinareo?
Hamaky ny ala sy ony,
Ka efitra no làlanay;
Ho any Kanàna ambony,
Hiakatra ao izahay.

3
Iza, vahiny malala
Hanoro ny làlanareo,
Ary iza rehefa mby any
No mba hovantaninareo?
Tarihin’i Jeso ny dianay;
Ho sambalra ao izahay,
Fa ao Andriamanitra Rainay
Miandry hampiditra anay

Fiv
Vahiny isika ety,
Fa tompon-tanàna ary;
Ampoizo, sakaiza, fa misy
Fiainana mandrakizay!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FIFOHAZANA
Vangy : 6757
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mbahoirayihanyizyrehetra
Daty : 02/01/2015 17:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0764