Jesosy mikaroka mpiasa vaovao (FIFOHAZANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1
Jesosy mikaroka mpiasa vaovao
Hanitatra ny Fanjakana izao.
Ka zovy no mendrika izany, lazao?
Ho mpiasa mazoto no sady manao.

2
Miandry dia miandry antsika Izy izao,
Hamonjy ireo asa tsy misy mpanao,
Ka isan'ny vonona va ianao
Hamadika bainga, hamboatra ny lao

3
Andeha hirotsaka isika 'zareo
Hanaiky ny antson'ny Tompo anikeheo!
'Reo vato misakana esory tsy ho eo;
Ny ratsy mitaona, tohero, reseo!

4
Manezaka ambony dia ambony tokoa,
Hanefa ny adidy sy fanaovan-tsoa
sy Mikatsaka mafy dia mafy tokoa,
Hamonjy taranaka simba sy voa,

5
Raha tojo ny mafy sy sarotra atao
Ka mila hikoy sy ho kivy ny fo
Herezo ny vavaka f’io no fanao
Ny herin'ny Tompo hamonjy anao

6
Jesosy tohano ireo mpiasanao
Raha noana sy reraka, fahanonao;
Tolory ny hanin-tsahaza azy ireo
Hatanjaka tsara sy hahaleo. Meteza

7
Zay tompon'adidy, hetseho, Tompo ô!
Hanohana tsara ireo mpiasanao.
Ny mpiasa matanjaka mahefa be
Ny reraka lava, mamono antoka ê!

Fiv
Meteza
Meteza ho mpiasa vaovao,
Meteza ho mpiasan'ny Tompo ianao;
Meteza fa izy hanambina ny asanao!
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : FIFOHAZANA
Hits : 2127
Likes : 0 Like
Created by : mbahoirayihanyizyrehetra
Date : 03/01/2015 18:28
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729