Harafesin'ota maro (FIFOHAZANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.
Harafesin’ota maro ity tany ity
Efa karakaina dia hiova endrika,
Ka izaho valaky ny rendrendrany
Sy trotraky ny halotoana.

Fiv
Amorony fo madio aho
Jesosy ô! Andriamanitro
Ka havaozy indray
Ho toy ilay tao Edena fahizay

2
Firifiry ny efa lasa tsy mba nanampo
Fa ny eto an-tany dia ho levona sy lo
makato ne teny mamin’ny fiainana
Ka tsinjoko fadiranovana

3
Andriamanitro ô! Iriko fatratra Ianao
Ka izay tsy mendrika ato anatiko sasao.
Hahazoako aina sy fanahy vaovao
Ho antoky ny paradisanao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.124