Hafatra nomen’ny Tompo (FIFOHAZANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1
Hafatra nomen'ry Tompo anao hoe:
Ny namanao ilazao,
Ary koa ireo am-pieiezana,
Sao tsy tafidïtr'ao.


Fiv
O! miaingà ka mitoria,
Sao tsy ho tratranao
llay ora farany;
Aza mba mangatak'andro ianao
Fa hararaoty hatramin'izao,
Sao hanadinana anao indray ilay ora farany

2
Ela be no niantsoana anao
Ka tsy manàtona e!
Ary koa ireo anilanao,
Moa tsy tsaraoanao ve?

3
Marina tokoa va ianao,
No miandry tsy miomana
Ka hanisy tsiny ny Tomponao
Amin'ny farany?

4
Raha ny tsiron'ny tany no tsy foy
Sao dia mamatotra e!
Dia lanitra no sisa hafoy,
Ka tsy ho hitanao.

5
Koa miomana re hatrizao,
Jeso mitarika e!
Ka torio iLay fitiavam-baovao,
Mba hiadananao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FIFOHAZANA
Vangy : 2116
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mbahoirayihanyizyrehetra
Daty : 16/04/2016 14:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0816