You are here: home > Tononkira > Fihirana FFPM

Jesosy Kristy Tompo o (Fihirana FFPM)

1. Jesosy Kristy Tompo ô!
Mba mamindrà fo e!
Fa raha tsy hatoninao,
Mahantra aho re!
2. Mifona sy mangataka
Izaho, Tompo ô,
Noho ny ranao latsaka,
Vonoy ny heloko.
3. Ny famonjena vitanaotononkira.serasera.org,
Tsy hain’ny hafa atao;
Ny teny sy ny herinao
Dia ampy hanavao.
4. Ho heriko ny indrafo
Sy ny fitiavanao,
Ka faly ny fanahiko,
Fa velon-ko Anao.
5. Ny hazo-fijaliana
Anjarako aty,
Fa satro-pifaliana
Ho azaoko ary.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Fihirana FFPM
Mpamaky : 417
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Ndzjarah
Tamin'ny : 11/08/2018 06:23:28
ID : 10865

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo