Jehovah o deraina Hianao (Fihirana FFPM)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 Jehovah ô derainay lanao! Ankalazainay ny Anaranao!
Izao rehetra izao manaja Anao
Fa Rainay ho mandrakizay
2 Mpanjakanay sy Tompo Masina
Omenay eram-po ny hasina
Izao rehetra izao mihoby Anao
Fa Rainay ho mandrakizay:,:
3 Ry Masina manerinerina
Jehovah be fitia sy masina!
lzao rehetra izao misaotra Anao
Fa Rainay ho mandrakizay
4 Manerana izao tontolo izao
Ny laza sy ny voninahitrao
Izao rehetra izao hanoa Anao
Fa Rainay ho mandrakizay
5 Andriananahary Masina ô!
Tanteraka ny fiandriananao,
Izao rehetra izao mitsaoka Anao
Fa Rainay ho mandrakizay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Fihirana FFPMVangy : 4655
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mbahoirayihanyizyrehetra
Daty : 16/04/2016 21:21