Neny (feon'anjomara mahajanga)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fisaorana, Dera, Laza no atolotroVoninahitra anie ho Anao ry Ray Tsitoha
Lehibe ny Fitiavanao ahy
Noho ny nitantananao ny fiainako hatrizay
Tsy adino koa i Neny izay nikarakara ahy
Noho ny fitiavany izay lehibe tokoa
Nanao izay teo ampelatànany
Ry Neny ô! lehibe ny vitanao
Refrain:
Neny ô! tsy hay valiana ny soa vitanao
Ny mba hany ananako ihany no azoko atolotra
Dia fitiavana feno fankasitrahana
Ny Tompo anie hitantana ny fiainanao
Hanolotra ny fitahiana be dia be ho anao
Enga anie ho lava androm-piainana ianao
Ry Neny malala ô! tsy mba manam-paharoa
Ry Tompo ô! Tahionao ny Neninay
Mba hahay hitaiza anay araka ny sitrakao
Ho Neny izay feno fahendrena
Ka hitondra anay ho eo Aminao
Omeo fahendrena aho mba hahay hitondra tena
Hanarak'ireo anatra sy toro-làlana
Izay efa nomenao ahy hatramin'izay
Ry Neny ô! Misaotra anao aho!
Refrain ...
Neny
Feon'Anjomara Mahajanga; Album Vol.03
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : feon'anjomara mahajangaVangy : 58
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : EliseeR
Daty : 27/11/2025 08:55
