Fihavanana Malagasy (Feo Gasy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vero notaigenam-pody aho ry namako o
Tsy folaka fa mandefitra ry akamako o
Ny marina tsy mba maty re rahavako o
Fitia tena varo maty no afafiko

E! mba mifankatiava
E! mba miraisa-hina
Ny maty aza mba te-ho maro
Fitiavana ihany izany ka fantaro

NY mifidifidy tavan’olona fadio
Fihavanana malagasy no kajio
Aleo halan’olon-tokana tsy miafa
Toy izay halan’olo-maro vao vaka.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Feo Gasy
Vangy : 9192
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Caroline
Daty : 22/10/2001 09:10
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0908