Mananjary (Feo Gasy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mianatsimo miantsinananana
No fizotran’ity lalana
Ho any Mananjary aho re’ory o !
F’izao vohitra ao izao
No namoizako anao
Ry ilay Iarivo tsy foy o !
Mbola teny antsasa-dalana
Dia nirotsaka mahalana
’Lay erikerika kely
Fambara fa vonon-kandray
Na dia efa hariva aza izahay.

Dia natao ho an’ireo mpiala sasatra ve ?
ô ô ô !
Dia natao ho an’ireo olon-dresy kosa ve ?
Asanao, asanao, asanao !

Kanjo nony harivariva
Ny masoandro efa iva
Io Mananjary fa hita ô !
Toa ampela tsisy tsiny
Mihaingo hariva handray vahiny
Sy miarahaba fa tafita ô !
Alokaloka voanio
Rivo-tsoa sy madio
Mampanadino an’Iarivo
Ilay fahanginany koa
Tsy manampaharoa tokoa

Dia natao ho an’ireo mpiala sasatra ve ?
ô ô ô !
Dia natao ho an’ireo olon-dresy kosa ve ?
Asanao, asanao, asanao !

Ho any Mananjary aho re’roy ô ! (4)
C/A - RAKOTOMAVO Gabriel na DadaGaby - Tarika Voninavoko
--------
Rohy:
Hevitra
ambre18_Ilay_Valinilay_fanonta ( 24/11/2019 21:16)
Azafady indrindra, tsara homena voninahitra ny tena tompon'ny hira izay tsy iza fa Itlahy Rakotomavo Gabriel na DadaGaby. Ary mihira io ny tarika Vononavoko natsangany.
Mpamerina toa ny hafa fotsiny ny Feo Gasy.
Misaotra tompoko
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Feo Gasy
Vangy : 20952
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Ketaka
Daty : 24/03/2004 08:50
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2808