Ramano be galona (Feo Gasy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny tanin-dRamano ô
Dia tany zana-tany é
Ny tany tamin’izany
Mbola feno zana-tany
Nanainga i Ramano ô
Tsy afaka nan-dahy é
Nirongo basy lava
Nilanja barda a

Adino naleha sy anaovana kinangy e
Nitifitra na maty nefa olo zana-tany
Naverina Ramano ô
Tsy maty nefa angano ô
Ny vandry zay nipoaka
Nan-janaka ny lohany

Galonan’dRamano ô
Ten’izy tena izy é
Fa nisy nampihomehy
Nampihoraka ny ankizy
Satria kapsily
Sy fatina bilao
Korintsana eny an-tratrany
Grade be tsy zakany

Nalevona omaly
Ramano be galona
Reo mpananihany
Nanjary nitomany
Ny tanin-dRamano ô
Dia tany zanatany Ny tany tamin’izany
Mbola feno zana-tany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Feo Gasy
Vangy : 15203
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : bhiaulat
Daty : 25/02/2009 10:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721