Manahoana ny fahasalamana (Fehizoron'i Ziona (FZ))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rehefa mba mihaona
toa satrintsika foana
hanontany hoe manahoana ny fahasalamana
Ny valin-teny ambara
teny efa voavoatra hoe
Za salama tsara fa misaotra
$1 : Tsy laitra eto an-tany
'zany marary izany
Aza manody ny tsisy fanafody
raha mbola azo atao
diniho ny tenanao
Aza amelàna tsaboy mba ho salama D$1

Fa ny fanahy kosa
na reraka io na osa
O mampahonena ihany
tsisy mpanotany !
Moa ve ny nofo ihany no mety ho farofy
F'ilay fanahy ve dia nofinofy
$2 : Ilay fanahy anaty salama ve sa maty
Marisarisa sa feno paradisa
Lay Tompo Zanahary hitsabo anao marary
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fehizoron'i Ziona (FZ)
Vangy : 697
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : pusseauboy
Daty : 17/05/2019 15:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719