NY ONDRIKELINAO (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1
Mba tantano Tompo ô ny ondrikelinao
Fa te hanjohizohy ny dianao
Mety ho kivy indraindray
Raha tojo manjo Ka tomany izany fo
Aoka hitsotra ny tananao Mba ho fanafody tokoa

2
Raha mbola lalan-davitra izany aleha
O mba tohano amin’ny herinao
Ny mamingampingana dia marobe
Ao ilay fitiavanao Aoka hianao hialoha lalana
Fa hianao no tsy mba voasakana

3
Hianao no mpamonjy sy zoky
Fanantenako sy toky
Fahendrena avy aminao no iriko
Hany tena tiako Mitaraina aminao aho
Ka he ! hamorony fo madio

4
Mino aho fa ho tanteraka anio tokoa
Ilay teninao izay manao hoe
Fantatro dia fantatro ny ondriko
Haiko koa ny feony
Indro aho efa midina Handray izany zanako.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : FEFI
Hits : 1691
Likes : 0 Like
Created by : mbahoirayihanyizyrehetra
Date : 02/01/2015 17:58
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726