Malala Eo Imasoko Hianao (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Malala Eo Imasoko Hianao Tiako Satria Koa Mba tia Ahy
OmeKo Voninahitra Sy Famirapiratana
Rakofako Ny Zava-tsoa Porofon’ny Fitiavako
Ho Hitan’Izay Mino Fa Malala Eo Imasoko Hianao

Ry Olona - ô Zava-poana e Ny Mifoha Maraina be
Sy Alim-pandry Homana Amin’ny Fahasahiranana
‘Zany Anefa Omeny Ny Malalany Na Dia Matory Izy
Ka Matokia Fa Jesosy No Momba Anao Doria Doria



2 - Malala Eo Imasoko Hianao Hoy Ny Tompon’ny Fiainanao
Ahirato Ny Masonao F’indro Aho Manoloana Anao
Te-hitrotro Ny Zanako Malalako Tena Tiako
Anehoako Fa Tsy Foiko Ka Omeko ‘Zany Foko

Ry Jesosy Tompo Tsara ô Inty Re Aho Raiso Ho Anao
Mba Tantano ê Mba Tazano ê Tsy Hivily Tsy Hania
Toroy Ny Lalana Tinendrinao Sy Voasoritrao
Dia Ho Tonga Ao Amin’ny Fiainana Fiadananao

Ny Dô dia Eb.
SACHA – NOVEMBRE 2006.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FEFI
Vangy : 2434
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : mbahoirayihanyizyrehetra
Daty : 17/04/2016 01:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727