Hiverina aminao (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hiverina aminao aho ry Raiko,
Ilay trotraky ny ota natao,
Matoky ny fo sy ny saiko,
Fa tsy mba ho lavinao,

Indro atolotro, ho Anao tokoa,
Izany tenako, miaraka amin’ireo alotoako,
Sakambino sy fihino, amin’ny sandrinao,
Mba hialoka ambany elatrao

Variana sy tena sondriana,
Tamin’ny hanina mety ho lo,
Tsapako raha nanao jery kiana,
Fa nanenina mafy tokoa,

Izao ry Raiko no ato an-tsaiko,
Borahiko Aminao,
Ka valio re raha mba misy azonao atao,
Mba sasao ny ranao ireo ota vitako,
Izay manefitra ahy Aminao,

Hatramin’izao mino aho fa navelanao Ray,
Hiara-hitoetra Aminao mandrakizay,
Sambatra aho tretrika aho,
Satria fantatro fa efa namindranao fo,

Hatramin’izao mino aho fa navelanao Ray,
Hiara-hitoetra Aminao mandrakizay,
Sambatra aho tretrika aho,
Satria fantatro fa efa namindranao fo (2),
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FEFI
Vangy : 12982
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : tsimanontanilahy
Daty : 30/03/2008 13:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726