MAHANTRA SY ORY (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 He mahantra sy ory Tsy mba afa-natory
He voasatro-tsilo Eso dridrangilo
Manondrika ny loha Mafy mantsy ny manjo
Tsy mba nisy nampahery Fa niharitra irery

2 Ndrisy re fa nikoro Ny andry efa nijoro
Zay mba nantenaina Mba hianteherana
Nefa zary fifaliana Zany hazofijaliana
Ka namoizany ny tena Zay hany ho famonjena

3 Dia nangidy nafaitra Mafy mila tsy ho laitra
Reo fampijaliana Nefa dia nangina
Tsy namaly ny Tompo Na naratra sy nivonto
Kapoka mivaivay Tena mafy izany re ry Ray
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FEFI
Vangy : 1339
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rado6185
Daty : 02/01/2015 12:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722