Tafaray isika roa (Farakely)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny ady izay nahazo anao
Efa tena sedra niainako
Ireo ranomasonao,Efa jaly sy tarainako
Ireo lalana nodiavinao,efa misy dia-tongotro
Ka ny avizananao,Arerahan'ny fisainaiko

Ny aretinao rehetra,Efa rofiko taloha
Ireo dia tsy misy fetra,Nodiaviko avokoa

fiverenana:
Ka tsy mahagaga raha izao,
Tafaray isika roa
Ireo rehetra fiainanao,
Efa niainako ihany koa
Tafaray isika roa
(tafaray,tafarayx2)

Ireo fifalianao, Tsikiko ihany koa
Ka ny hasambaranao,Nahatretrika ahy tokoa
Ny fitiavanao mitsiry,Fitiavako mamoha
Vokantr-asa mankadilo, miara-mioty isika roa

fiverenana:
Ka tsy mahagaga raha izao (fa tafaray isika roa)
Tafaray isika roa
Ireo rehetra fiainanao (ireo fiainao)
Efa niainako ihany koa
Tsy mahagaga raha izao (fa tafaray isika roa)
Ireo rehetra fiainanao (ireo fiaianao)
Efa niainako ihany
Tafaray isika roa!

tafaray,tafaray,
Tafaray isika roa
tafaray,tafaray
Tafaray isika roa
tafaray,tafaray

Ny aretinao rehetra,efa rofiko taloha
Ireo dia tsy misy fetra,Nodiaviko avokoa
Ka tsy mahagaga raha izao (fa tafaray isika roa)
Tafaray isika roa
Ireo rehetra fiainanao (ireo fiaiananao)
Efa nainako ihany koa
tsy mahagaga raha izao (fa tafaray isika roa)
Ireo rehetra fiainanao(ireo fiainanano)
Efa niainako ihany koa
Tafaray isika roa!


tafaray,tafaray,
Tafaray isika roa
tafaray,tafaray,
Tafaray,Tafaray
Tafaray isika roa
mmh!Tafaray isika roa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Farakely
Vangy : 1624
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : faraandrianintsoa
Daty : 03/06/2019 12:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0844