Noely (ft. Reziky) (Farakely)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andro iray tsy adino ny andron'ny Noely
Mankalaza sy midera an'i Jesoa zazakely
Zanaky ny Ray no tonga eto an-tany
Ka avia manantona hitsoaka izany

Mpaminany nifandimby nanambara mialoha
Ny fihavian'ilay Mahery, ilay Tompon-tsitoha
Mihirà, miankohofa, asandrato ny feo
Dia ho tretrika tokoa ho faly ianareo

Fihobiana sy saotra no atolotra ho Anao
Haravoana sy antsa amin'izao andro izao
Koa raiso ré ry Tompo ny fanantitray
Fanomezana tiana mba aharitra

Mivavaha, mibebaha, atolory ny fo
Araraoty ny fotoana fa tsy manindroa
Ankino amin'ny Tompo izay rehetra atao
Dia ho maivana sy mora ny fiainanao

Ka na inona na inona zava-manjo
Aza manary toky atrakao ny loha
Tsy hanenanao raha manao izany
Fa ny Tompo dia mijery any an-danitra any

O ry Tompo ré mba raiso ny vavakay
Mba diovy aho avelao re ny helokay
F’izahay te hanompo ary hankalaza Anao
Noely, Noely izao andro izao

Ho antsika rehetra mbola misalasala
Efa tonga ho antsika ilay Tompo Malala
Na lehibe na tanora na ny zaza kely
Mifalia miravoa fa tonga ny Noely

(Efa tonga eto amitsika Izy,
Nanatona antsika Izy,....)

Miantso Anao zahay
Avia hitsoaka
Ny Tompo no tonga ho sorony
Derao,derao
Fa Izy no Tompo mahery

Noely ...
Noely...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Farakely
Vangy : 677
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 25/12/2021 12:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3016