You are here: home > Tononkira > Farakely

Ho azy ihany (feat Mia) (Farakely)

https://tononkira.serasera.org/hira/farakely/ho-azy-ihany-feat-mia

Fisedrana maro izay no efa hita
Be ihany koa ireo zavatra efa vita
Teo ny adiady sy sedra hatrizay
Fa na teo aza ireo tsy naharava anay

Tato ho ato aho misaina izany koa
Raha izay lasa izay tsisy toa anay roa
Miomehy aho mahatsiaro ireo vazivazy
Manamafy ho iray ny foko sy ny azy

Hitia azy foana aho satria
Tsy kilalao ilay fitia
Nomeko azy hatrizay
Sy ireo voadiko mandrakizay
Izy no efa nekeko
Na tsiky hozaraina na sentotononkira.serasera.org
Ka na ory izahay na faly
Ny fitiavako dia ho azy ihany

Mba toa anao koa aho
Tena mahatsapa
F'ilaina tokoa ny fitia lalim-paka
Velona ao anaty sahy mijoro
Ka na inona mitranga ilay fitia tsy hikoro

Hitia azy foana aho satria
Tsy kilalao ilay fitia
Nomeko azy hatrizay
Sy ireo voadiko mandrakizay
Izy no efa nekeko
Na tsiky hozaraina na sento
Ka na ory izahay na faly
Ny fitiavako dia ho azy ihany
Ny fitiavako dia ho azy ihany
Ny foko efa azy ihany

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Farakely
Mpamaky : 1164
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 25/05/2019 08:08:34
ID : 11742

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo