TSY MIOVA JESOSY (Fara Andriamamonjy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Misy toetra izay naseho tena mamy
Izay mambabo sy manintona avy hatrany
Saingy toetra namboarina ihany
Miovaova araka izay filàny
Misy toky sy ireo dina izay nomena
Izay nohiraina hoe haharitra ho doria
Dia nanao voady tsy mba noterena
Saingy niova teny an-dàlana ny fitia
Ref:
Tsy miova Jesosy hatramin'ny taloha
F'izay sitrapony dia tanteraka avokoa
Fa tapitr'ohatra ny fahalehibeazany
Hiely eran-tany ny voninahiny
2- Misy koa ireoizay miezaka ihany
Sy miantehatra amin'ny kely tsy ho tola
Te hijoro ho olo-marina hatrany
Saingy mbola resin'ny fitiavam-bola fa
Bridge:
F'izay rehetra nandray Azy
No omeny hery
Ho tonga zanak'Andriamanitra izy ireny
Fa Kristy no velona ao anatiny
Mampianatra azy hankatoa ny teniny
Hameno azy ny Fanahy Masina
Hanova azy mba ho olo-marina
Hampianatra ny olona hanova
Fa jesoa irery ihany no tsy miova
Hampianatra ny olona hanova
Fa tsy miova, fa tsy miova
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fara Andriamamonjy
Vangy : 2722
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : VideoHiraFiderana1
Daty : 03/11/2020 18:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0718