Izay mino (Fara Andriamamonjy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nandao antsika ireo havana
Lasana koa ireo namana
Tsy hiverina intsony
Saingy hijanona ao am-po
Ny soa nataony
Indraindray mitamberina
Ireo fotoana niarahana
Tsy hiverina intsony
Saingy izao no fanantenana hampitony:

Izay mino sy miandry ny Tompo
Mbola hifaly, afaka manantena tokoa
F’indray andro any mbola hihaona indray
Tsy hisento intsony eo anilan’ny Ray.
K’aza malahelo foana ny fo
F’izay maty ao amin’ny Tompo
Mbola hitsangana koa
K’indray andro any mbola hihaona indray
Tsy hisento intsony eo anilan’ny Ray.

Indraindray mitamberina
Ireo fotoana niarahana
Tsy hiverina intsony
Saingy izao no hafatra hatolony:
Raha misy fahatsiarovana
Ny soa nataony no tohizana
Ka ny hoavy no banjinina
Ka hanoy ny dia hiaraka amin'Ilay be fitia

F'izay mino sy miandry ny Tompo
Mbola hifaly, afaka manantena tokoa
F’indray andro any mbola hihaona indray
Tsy hisento intsony eo anilan’ny Ray.
K’aza malahelo foana ny fo
F’izay maty ao amin’ny Tompo
Mbola hitsangana koa
K’indray andro any mbola hihaona indray
Tsy hisento intsony eo anilan’ny Ray.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fara Andriamamonjy
Vangy : 1407
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Jantina
Daty : 22/11/2020 12:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0801