Ravin-dohataona (Fanja Andriamanantena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha hihintsana irony ravin-dohataona
Fa efa maina sy riitra teto
Indro fa miraraka eo an-dasin’ny tadidy
Ireo tsiaro mamy nentiny

Toa tsy nisy irony kalokalo
Nahamaitso faka
Ka indrisy ny hany mba mandalo
Dia olona misaona

Ka ny firariana ao am-po
Dia lohataona mamerovero
Hafa indray.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fanja Andriamanantena
Vangy : 3305
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Heriniaina
Daty : 24/02/2002 09:36
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0271