IARIVO MAMIKO (Fangia Kalo Gasy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tazano e!
i Iarivo ô!
Tinafin’ny lanitra manga ho’aho fa marevaka e
Am-poko ô ny hakantony
Meva tsy manan-tsahala ho’aho ka tsy foiko ô
Manitona izany vinaniko e hankafy azy e
Tazanina i Manjakamiadana e: mbola hafa io ô
Ny fitopatopan’Ikopa ho’aho: mbola hafa io ô
Raha sendra lalovana Anosy re: Mbola hafa io ô
Na rafi-tanàna na vohitra e: MAHATAMANA e!

Satriko honina eo aminao ry Iarivo ô
Ka ny saiko e, sy ny foko ô
Babo tsy hiala aminao
O o o o o ! IARIVOKO

Tsinjovy e!
i Iarivo ô!
Miaina amin’ny andavanandrony e! fa maresaka e
Someby e ny mponiny ô
Henjana ny fitadiavany e fa finaritra e
Fiainana ny rotorotony e fa tsy olany ô

Irony tandaha-piarany e: mahazatra io ô
Ilay dia an-tongotra maika be : mahazatra io ô
Ny laha-piara ndeha hiasa ho’aho : mahazatra io ô
Topazo maso fa ho hitanao: MITSIKY izy e

Tazano e! Tsinjovy ô!
Fa tiako ary koa tena mamiko i IARIVOKO

A/C: Ny R. FIDIMANANTSOA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fangia Kalo Gasy
Vangy : 192
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : FangiaKaloGasy
Daty : 29/03/2024 20:29
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128