Feom-baliha tokana (Erick Manana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Feom-baliha tokana any ho any
Manditsoka ity foko tora-tany
Tafahitsoka any an-dakira any aho
Ka mitebiteby e

Sady miangola hira fahizay re
Toa tazako ery ny any aminay e
Tampon-ketsa maty masoandro
Mameno ny lohako e eny ô!

Feom-baliha tokana any ho any
Mahalasa eritreritra vinany
Adino any an-kodahoda aho
Ka mahatsiaro very e

Very antanin'olona tsy hay e
Hany ka ataon'ny embona mahamay e
Miady irery tsy amboa, tsy lambo
Ka mila hipitsoka e eny ô!

Aiza re, aiza re
Ilay lanitra mangamangan'ilay
Gasikara malalako e
Maty aho e, maty aho e
Nahoroko teo ireo entan-keliko
Ndrao eto aho no raisina e

Omeko veloma lava ny aty e
Voaraiko ny hafatrao ry feom-baliha
Mitondra ny hafatrafatry ny tiana
Modia malakilaky ndrao variana e
Ndrao variana ô ô ô ô!

Feom-baliha tokana any ho any...




Erick Manana sy Jenny Fuhr
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Erick Manana
Vangy : 5709
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : jantina
Daty : 15/07/2014 22:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0743