Tandindona (feat. Lil Meker) (Doublenn)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fitaratra, fitaratra
Anisan'ireo mba mendrika ve izaho?
Tamin'ireo izay nisesy,
Nandalo teto rehetra?
Sa mbola ilay vatobe mbola ratsy kapoka ireny?
Sa mba efa nisy fivoarana ihany?
Teo amin'ny fitondran-tena,
Teo amin'ny toetra?

Fitaratra, fitaratra
Teneno aho hoe:
Aza hanenenana ny lasa,
Hifalio ny ankehitriny,
Satria na fahavaratra,
Na lohataona, na ririnina, na fararano,
Dia fantatrao fa lasa andro tsara avokoa,
Indrindra indrindra, rehefa eo ianao.

Fitaratra fitaratra
Teneno aho hoe:
Hitako avy any amin'ny masonao,
Ny fanahinao izao,
Ka andehana zarao
Ny hazavana ho an'izay mandre

Fitaratra fitaratra,
Mety ve raha tarehy, feno fahasambarana foana,
No mijoro eto anoloanao?
Satria efa olon-dehibe,
Nitety ny omaly,
Miaina ny androany,
Satria mandeha ny fotoana,
Ary ny tsiky eny amin'ny tava,
Hitondra hatanorana (foana).
Dia raha ohatra mihafotsy ary ny volo?
Ny zava-dehibe dia ny hoe (ha ha)
Aleo izaho hihomehy (Aleo izaho hihomehy)

Izaho mijery anao,
Toa malahelo,
Dia avy eo mitsiky.
Izaho mijery anao,
Toa izaho ihany no hitako eto (Oh woo ohh)
Miseho eo daholo (Miseho eo daholo)
Ny hatsarana (Ny hatsarana)
Na ny haratsiana (Oh oh)
Na ny mbola tsy hita, na ny ho avy
Miseho eo daholo,
Na ny hatsarana, ny haratsiana

Fitaratra, fitaratra
Mba aza atao fahavaloko
Io ambadik'io fitaratra io
Manana ny fahalemeny izy,
Na dia miseho ho varatra
Anaty main-tany, na dia manome tso-drano vita amin'ny afo
Ao anaty tadio nama
Ohatran'ny hoe: manao toto-afo,
Mihitsy io fahagagana io

Fitaratra, fitaratra
Rehefa tonga eto izy,
Dia aza atao menatra intsony
Satria izy hono:
Te hanantona ny lafatra
Na dia tsy mitsahatra
Mikapoka ny vatony,
Sy manadio ny fony

Fitaratra, fitaratra
Aza atao tonga eto ny ranomaso
Fa aleo hitondra hasambarana ny tsiky
Atao fitaovam-piadiana mahery vaika
Manao matso eny amin'ny tava
Ovainy anjara biriky,
Mba ho fahafinaretan'ny maso
Amin'izay misy anjely mitaty,
Rehefa manao tsambiki-mikipy
Dia tsy misy na inona na inona atahorana
Ary amin'izay koa,
Tsy ho hadino ohatran'ny ranomaso latsaka anaty orana

Fitaratra fitaratra (Fitaratra fitaratra)
Hamindrako fo io mijery anao io manomboka izao
Ary avelako ny helony
Dia aleo ny hazavany hitaratra
Aleo ho raisiny ny tany
Dia ataony kanety kely kilalao
Aleo izy hiteny hoe: (Oh l'ty eh) (Fitaratra fitaratra)
Antsika izao tontolo izao

Ref:
Izaho mijery anao,
Toa malahelo,
Dia avy eo mitsiky.
Izaho mijery anao,
Toa izaho ihany no hitako eto (Oh woo ohh)
Miseho eo daholo (Miseho eo daholo)
Ny hatsarana (Ny hatsarana)
Na ny haratsiana (Oh oh)
Na ny mbola tsy hita, na ny ho avy
Miseho eo daholo,
Na ny hatsarana, ny haratsiana

Ao fa tsy avy ny orana
Fa vonoina ny égo
--------
Rohy:
Hevitra
velobanga ( 03/04/2023 08:24)
tsara kosa ko
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Doublenn
Vangy : 497
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mraoby
Daty : 02/04/2023 12:16
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0897