Real ET (Doublenn)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Olty e !!!..

Tonga de teneniko hoe eritreritra folo tsy milay
De resina eritreritra iray milay be
De inona no dikan'ity fiainana ity kay?
Ny fahazazana toa efa ela be ela be
De nandeferana foana ireo izay nanao tsy nety tamin'ny tena
De vao maika ary toa nararaotin'ny olona
Ozy ny kill hoe ny anao adalana amiko izany fahendrena
Tsy ny tany marina kay no fady fa ny vavan'ny olona
Tolona ny fiainana nefa tao ve ny mafy noho izaho ?
Be ny bogosy manam-bola manan-karena sady mahay
Be ny mbola tsara toetra lavitra sy manam-panahy
Ny ahy ?
Ny ahy toa tsy misy hananako na dia anankiray
Fa vao nanoratra voalohany aho de fantatro amin'izay
Fa ny kodiaran-tsarety hivadika pyramide lehibe
Eritreritra folo tsy milay
De resina eritreritra iray milay be



Raha be ny te-hanakana ny antsika efa lasa
Tsy tratra intsony fa lasa ambony avia avia avia
Ndao ary hadinoina sy fafana ny lasa
Tsy ho eo intsony tsika efa ambony aty aty aty



Eritreritra iray milay oa de efa mandresy eritreritra folo tsy milay
De ny foko ovaiko diamondra amin'izay tsy mandeha rà
De hiainana izao ankehitriny izao ny mandrakizay
De soa ihany aho fa teraka teto Gasikara
Paradisan'ny paradisa tanindrazana taninjanaka
Nazahoana haren-tsaina hitoerana eo amin'ny tantara
De lasa mazana nohon'ny mazana
Mpanjanaka ny mpanjanaka
Mamoaka rima ialana eto an-tany hanindinana
Hialàna ny tora-bato avy any an-danitra
An-dalana telo atao mitondra fitsimbinana
Tsy ahitana ny andro maloka satria isan'andro asaramanitra
Ary mitsiky daholo ireo kintana
Ary miankohaka eo anatrehan'ny talenta rehetra
De lasa voakôzy ho azy hoe vintana
Efa avo loatra manampy ny masoandro volana hetsetrahetsera



Raha be ny te-hanakana ny antsika efa lasa
Tsy tratra intsony fa lasa ambony avia avia avia
Ndao ary handinoina sy fafana ny lasa
Tsy ho eo intsony tsika efa ambony aty aty aty


Midobodoboka ny foko midoboka ho anao
Nampisy ahy teto hatramin'izao
De hiaraka isika manomboka izao
Hamafy fitiavana de ndao
Ndao handiha lanitra amin'izay tsy mety lena a
Mandroso foana eny e na de be ny fahalemena
Ary raha misy mikôzy hoe tsy nahazo fandresena isika
Oay !! Aleo izy hiteny izao na hangina mandrakizay
Satria
Tsika niara nitomany tsika niara nifaly
Nanararaotra ny androany nanadino ny omaly
Raha misy manontany hoe inona ny nampijaly ?
Avelao any aza mamaly ratsy ny ratsy
Fa tsara ho an'ny ratsy ny tsara
Amin'ny fiainan'ny sasany mantsy tsika tsy hitsara
Samy manao izay reveny de ndao daholy hizara ny fahasoavana azontsika ireny hanatsarana ny tantara nentsika efa lasa
Tsy tratra intsony fa lasa ambony avia avia avia
Handao ary handinoina sy fafana ny lasa
Tsy ho eo intsony tsika efa ambony aty aty aty


Sa aona Vn1?
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Doublenn
Vangy : 643
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fano Andria
Daty : 20/07/2022 00:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0741