Raozy mena (Feat ABI sy BUDDHA EL TAGA) (Doublenn)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ndao ianao hoentinay hamakivaky fitaratra matromatroka
Mental ts'inona ohatran'ny trano
trano misy efitra maromaro
Dia tongasoa ato amin'ny efitrano voalohany
ato daholo ny fahatsiarovana
fahatsiarovana ny lasa
fahatsiarovana ny hoavy
mbola holalovana
Misy ny hadisoana fahiny
ireo tsiambaratelo
fandresena hoavy
Anararaotana ny ankehitriny
isa roa telo
Voninahitra hoan'ny trav
Ity ndray ny efitrano faharoa
Misy ny fahalalana sy ny hazavana
ato mitambatra : science, ny olombelona sy ireo zanahary
Ampifanampiana, Ampifanalana
Ampitomboina, hifampizarana
Tsisy dogme ato
fa ny baraingo dia ny baraingo no abaribary
Mandrosoa indray ianao ato amin'ny efitrano fahatelo ato
Ato mipetraka ny aingam-panahy , ny famoronana , ny zava-kanto
Hatsarana zato isan-jato
Manao sari-sikotra amin'ny fo vato
Mitondra anao hanidina aho ato
Eo ambonina feo milantolanto
Ity efitrano ity ndray dia noterena
Ho efitranon'ny fandresena
Ny fitiavanao no manaingo ao
Hatramin'izay ka hatramin'izao
Kanefa andao , fa asehoko anao ny ao ivelany ao
Ao ilay antsika izao tontolo izao
Satria ny tena harena ao an-jaridaina
rehefa hioty ilay raozy Mena
Fiverenana :
Voadidin-drindrina efatra
Ny fiainako toa ankamantatra
Fa ny fanahiko tia manakatra
Ireo zay tsy hitan'ny ambany lanitra
Ny saiko efa mikipy
Ny foko efa mahita
Ilay raozy ivelany ao toa sary paradisa
Ny saiko efa mikipy
Ny foko efa mahita
Ilay raozy ivelany ao toa sary paradisa
Mandrapahatonga'ny chakras fito hivadika ho hazavana
Hiala teto aho fa tsy tamana
Hitsangatsangana ivelan'ny tany
F'eto misambadidaka ambony ambany
Haizina, Ozona
Misy mila formatage ny lohany
Averina amin'ny fitiavana hatrany amboalohany
Ny tontolo norafetinao tsy hiova tontoloko
Ny lalako ihany no hizorako
Mandefa ny fanahiko lavitra no tena fialamboliko
Raozy mena zao no tangosako
Raozy mena no andeha hatolotro
Za tsy voagadran'ny rindrina efatra
sady tsy kivy aho no sady tsy ketraka
Avela hoan'ny lasa izay cote mavesatra
rehefa tonga mifampitantara hoe inona ny vaovao hoe inona no maresaka
Fa zao aloha
Aza mifandrebireby saina
Aza mifandrebireby ati-doha
F'efa ela aho no tsy natory intsony
Efa ela aho no efa nifoha
Mijery fitaratra izy , izy ihany no andeha ho hitany aho
Fa tsika rehefa mijery isanandro mahita olom-baovao
Fa ny hafatra fanavotana
Ataovy otran'ny hoe ampinga fiarovana
Manoloana an'ireo tsy valahara
Manoloana an'ireo tsy mifaditrovana
(Fiverenana)
Fenoiko maso ato ampoko andeha hijery anao mijery ahy
Foaziko ny maso fa te ho lasa lavitra kokoa ny fanahy
Na hogejaina aho
Na hoterena aho
Ny foko efa andeha hioty ilay raozy mena
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : DoublennVangy : 18
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : RalitaTanjona
Daty : 02/04/2026 08:54
