tonga nofo (Chorale Taratr'i Maria)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tamin’ny voalohany ny Teny
Tao amin’ny Andriamanitra ny Teny
Ary Andriamanitra ny Teny
Fa ankehitriny dia tonga nofo ny Teny

Izy no nahariana ny zavatra rehetra
Ary raha tsy izy dia tsy ary ny rehetra
Tao amin’ny fiainana tao amin’ny hazavana
Mamirapiratra, mpandresy ny haizina

Tonga nofo ny teny ary nonina tety amintsika
Izy ilay Mpanjaka lehibe nihobian’ny Anjely hoe:
Glô glô glô ô ô ri a a a In e, in e in exelsis Déo

Tonga nofo ny teny ary nonina tety amintsika
Izy ilay Mpanjaka lehibe nihobian’ny Anjely hoe:
Glô glô glô ô ô ri a a a In e, in e in exelsis Déo
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Chorale Taratr'i Maria
Hits : 138
Likes : 0 Like
Created by : ainapremier
Date : 11/01/2024 09:28
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726