sambokely (Chorale Taratr'i Maria)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sambokelinay e, eny anivon-dranomasina
atopatopan’ny onja mahery fafazan’ny rivotra mafy
Sarin’ny fiainanay e, mamaky izao tontolo
sedrain’ny fakam-panahy sy rendrarendra manodoka

Ianao Jesoa Tompo ô no andry sy tokinay e
Tsy mana-tahotra izahay fa miaraka Aminao
Ianao no Vatolampy iorenan’ny finoanay
tsy hihontsona izahay na be reo fakam-panahy

Eny an-dalana eny mamaky haizim-pito
Tsy mana-tahotra (izahay) fa manana toky sy aro
Ianao Jesoa Tompo ô, miara-dalana aminay e
Tsy manana ahiahy izahay na be aza reo fahavalo

Na fijaliana na fahoriana, manamaivana Ianao
Na hafaliana na haravoana, Ianao miaraka aminay
Na fanenjehana na fanaratsiana, mankahery Ianao
Na fahombiazana na fahasoavana, noho ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chorale Taratr'i Maria
Vangy : 99
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ainapremier
Daty : 28/12/2023 08:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728