HIAINGA IZAHAY (Faneva 20ème) (Chorale Fehizoro Fanantenana)

https://tononkira.serasera.org/hira/chorale-fehizoro-fanantenana/hiainga-izahay-faneva-20me-3

1.Isaorana Anao ry Ray 'zao tombon-taona izao
   Hanovozanay indray hery vaovao
   Hianga izahay, andeha hitondra ny hafatrao
   Ka apombao anay ny Fanahy Masinao.

2.Fa mbola maro ireo tsy mahalala anao
  Kanefa mba rahalahy tinao ho malalanao
  Hiainga izahay, hitory ny fitiavanao
  Hamirapiratan'ny voninahitrao.

REF : Fa lozako raha tsy mitory ny filazantsara aho
         Mba hibebaka sy hiverina amin'Andriamanitra
         Lozako raha tsy mitory ny filazantsara aho
         Ka hanao asa miendrika ny fahalebiazanao.

3.He, roapolo taona izao no nanangananao
tononkira.serasera.org  Ity fikambananay tanora zandrinao
   Hiainga izahay, fa fahasoavanao no nahatoy izao
   Dia mbola hanankinanay ny hoavinay.

REF : Fa lozako raha tsy mitory ny filazantsara aho
         Mba hibebaka sy hiverina amin'Andriamanitra
         Lozako raha tsy mitory ny filazantsara aho
         Ka hanao asa miendrika ny fahalebiazanao.

REF : Fa lozako raha tsy mitory ny filazantsara aho
         Mba hibebaka sy hiverina amin'Andriamanitra
         Lozako raha tsy mitory ny filazantsara aho
         Ka hanao asa miendrika ny fahalebiazanao(x3)

Tonony sy Feony : Rivo Andriamalala (2016)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Chorale Fehizoro Fanantenana
Mpamaky : 329
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : ZokyRivo
Tamin'ny : 16/11/2018 08:42:51
ID : 11141

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo