TOKY SY ARO (Chorale Fehizoro Fanantenana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Raha toa ka hamaky ranomasina ianaoAoka re ny fonao tsy hanan-tahotra izao
Fa ilay Be Fitia no mitsinjo ny dia
Mifikira eo aminy, matokia (dia matokia).
REF : Raha sendra alon-drano sy onja mandrahona
Ny Finoana tano, dia reseo ny tahotra
Fa Jesoa efa ao, Kapiteninao
Toky sy Aronao.
Fa Jesoa efa ao, Kapiteninao
Toky sy Aronao.
2.Fa na hitsoka mafy 'zany rivotra anie
Eny re, na hirotsaka ny oram-be
Ireny rehetra ireny tsy hamotraka anao
Matokia fa ny Tomponao tsy mandao (handao anao).
REF : Raha sendra alon-drano sy onja mandrahona
Ny Finoana tano, dia reseo ny tahotra
Fa Jesoa efa ao, Kapiteninao
Toky sy Aronao.
Fa Jesoa efa ao, Kapiteninao
Toky sy Aronao.
REF : Raha sendra alon-drano sy onja mandrahona
Ny Finoana tano, dia reseo ny tahotra
Fa Jesoa efa ao, Kapiteninao
Toky sy Aronao.
Fa Jesoa efa ao, Kapiteninao
Toky sy Aronao.
Tonony sy Feony : Rivo Andriamalala (2015)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Chorale Fehizoro FanantenanaVangy : 1014
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ZokyRivo
Daty : 16/11/2018 09:59