You are here: home > Tononkira > Bessa

Angamba (Bessa)

https://tononkira.serasera.org/hira/bessa-sy-lola/angamba

Ho mamy angamba ny fahafahana
raha toa ka ombam-pitiavana
Raha toa ny jamba omem-pitantana
ary ny noana vokisana

Tsy hisy intsony ny fanavahana
ara-poko, fivavahana
ka ny lasa dia hofongorana
sy hodorana mba ho may

Ny ady lahy sy ny firongonTsiky dia ampyy
dia tsy ho sahy hifongatra
Raha toa ny jamba omem-pitantana
ary ny noana vokisana

Ny atsembohana no hinanana
nefa kosa ho'ah samy hananana
ka tsy hisy indray ireo mpangalatra
tsy hisasatra ka handray!

Angamba aho faly, angamba aho sambatra raha toa izany tanteraka!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Bessa
Mpamaky : 152
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : tiavinamarina
Tamin'ny : 21/11/2019 21:54:33
ID : 12213

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo