'Ndao hihira (Bessa)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho anao sahiran-tsaina,Sendra zava-tsarotra;
Aza de miferin’aina,
Ndrao vao maika mihaimotra.
Manefe saina mijoro,
Mafy matanjaka;
Ka reseo ny horohoro,
Dia meteza mba hitraka.
Ndao hihira(2)
Hira tsotra no hiraina
Ndao hihira (2)
Hiran’ny fitiavana
Na ny fifaliana mazana,
Tselatra f’hifarana;
Fa raha tianao ny hitàna,
Ao am-po ny hazavana
Angalao hanolokolo,
Ny finoana marina;
Fa izay rava eo mbola hisolo,
Andro hafa hifaliana.
Mbola ao koa ny mahory,
Ny kitroan’aizina;
Tsy dia vaovao io akory,
Fa iobonan’ny miaina.
Saingy injay mangirifiry,
Tratrin’ny famoizana;
No mba irario mba hikiry,
Tsy ho kivy, f’hanantena.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : BessaVangy : 11800
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 27/10/2001 23:10
