DISO ADY (ASAFA(Antsan'ny SAlema Fanantenana Ambatondrazaka))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Raha mijery ny andro lasa
Maro be ireo kinasa
Niezaka hatrany ho tsara
Zay atao anefa rava
Dia nanohy nikiry ihany
Zay hitsahatra tsisy izany
Tanjonay hoe ho tafita ny afarany

2-Tsarovy hatrany anefa
Ny fotoana manam-petra
Zay sasarano ety
Dia zava-poana
Saino ny mandrakizay
Miandry anao Jehovah Ray
Ho lovainao dieny ety 'lay lanitra any

FIV:Mahantra indrindra ianao raha ny ety no antenainao
Katsaho aloa ny fanjakany dia anampy anao
Zany rehetra izany
(Omeo an'i Jesô) ny adinao
(Matoky) f'Izy tsy andao
Satroboninahitra satrohanao

ASAFA
A/C : Fenohery
Janoary 2022
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ASAFA(Antsan'ny SAlema Fanantenana Ambatondrazaka)
Vangy : 186
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Berova
Daty : 19/10/2023 08:25
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4446