MAMINDRA FO AMIKO (ASAFA(Antsan'ny SAlema Fanantenana Ambatondrazaka))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Reraky ny hadalana vita izay natao
Nirehareha tamin'ny ditra nilalao
Tsy mahalala ny hiafarana
Fa voagejan'ny satana
Indrisy fa toa fahajambana tsy azo ialana

Nihevi-tena ho ambony fanaperana
Fitiava-tena lolom-po mibahan-toerana
Nihazohazo tsy hay tohaina
Fiafarana hamoizan'aina
Vonjeo ry Ray f'Ianao no antenaiko hanafaka ahy

FIV:
Mifona Ray;fa nanota taminao aho
IFONAKO,fa tsy mendrika ho Anao
Mifona e,fa naniratsira Anao aho
Mamindra fo amiko Jesosy ô(@ farany x 2)

Neniko avokoa ireo rehetra zay natao
Ankehitriny aho vonona hanompo Anao ry Ray
Handà anao ry adalana,
Sy'Reo fitakao satana
Jesosy ô raiso ho Anao 'zaho, hanjakao

Raha ny angataka Aminao dia fataonay Jesosy
Ny hiantahanta koa matetika amin'ny vavanay
Mody manao ny Asanao nefa,endrika ivelany(sanatria)
Ity ny foko omeko Anao re mba sasao(x2)

Pont:
Ny tananao no iriko hitantana ahy
Ny famindramponao anie ho fiainako

FIV:
Mifona Ray;fa nanota taminao aho
IFONAKO,fa tsy mendrika ho Anao
Mifona e,fa naniratsira Anao aho
Mamindra fo amiko Jesosy ô(@ farany x 2)
ASAFA
A/C : Berova
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ASAFA(Antsan'ny SAlema Fanantenana Ambatondrazaka)
Vangy : 198
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Berova
Daty : 16/10/2023 13:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.073