IANAO LAY TOKANY (ASAFA(Antsan'ny SAlema Fanantenana Ambatondrazaka))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na dia maro aza, ny zanaka tsy miova ny Fitiavany anao
Satria zanaka, tokana tsy mahasolo anao
Tiany ianao satria efa nekeny
Ary adidiny hatramin'ny farany ianao

Tsy manova ny fitiavany anao na maro ireo mino
F'ianao tokana Aminy na be iray tam-po aza,
Tokany ianao ka tsy azo soloina
Satria efa voasoratra any ny anaranao
FIV:
Zany ny Fitiavan'Andriamanitra
Tsy mihena na dia eo reo diso làlana
Tiany ianao ho any an-danitra
Fa mbola miandry anao ny anjara lova avy Aminy

Tsik' izao ange,tsy misy marina na dia iray aza
Maloto ny fo sy ny saina, tsy misy azo antenaina
Soa fa teo Jesosy mpanadio
Fa ny tanjony ho anao sy ho ahy, hananatsika fiainana!

Jesosy anie tokana dia tokana ôtranao
Nanolotra ny ainy ka maty,nisolo ny helokao
Ny fitia(vany) mbola tsy miova
Mbola vonon'Izy hanasitrana anao LAY TOKANY
ASAFA
Berova 2021
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ASAFA(Antsan'ny SAlema Fanantenana Ambatondrazaka)
Vangy : 177
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Berova
Daty : 16/10/2023 13:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0941