Mifalia (Ariane)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Dia nitsangana
Oh nitsangana ilay Avo indrindra
Resy ny fahafatesana, ireo fijaliana
Tsisy nandaitra amin'I Jesoa

Mba ho fanavotana antsika Izy nanolo-tena (aaah) Niaritra mba ahazoantsika famonjena (eeeh)
Afaka, Afaka, Jesoa no namonjy antsika eh

Ref: Mifalia eh, miravoa eh
Fa avotra antsika eh
Ahetsiketseho ny tananao
Adoladolao eh ny lohanao
(solo) Ilay mpanavotra eh nitsangana eh (x2)

(trio) Mifalia ianao eh
Fa voavonjy ianao eh
Aza misalasala eh
Avoahy ny ao am-ponao
Fa Jesoa no nandresy eh
Nandresy ny fahafatesana oh oh oh

2. Amin'izao efa azontsika ny fandresena
Ka aza misalasala mirehareha
Asehoy ny maro
Ambarao fa isika afaka eh

Mba ho fanavotana antsika Izy nanolo-tena (aaah) Niaritra mba ahazoantsika famonjena (eeeh)
Afaka, Afaka, Jesoa no namonjy antsika eh

Ref: Mifalia...

(interlude)

Avoahy ny hafalianao (eouah)
Avoahy ny hafalianao (eouah)
Fa tsara ny midera (eouah)
Tsara ny midera (eouah)
Araraoty aro (eouah)
(trio) Dieny mbola tsy tara

Ref :
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ariane
Vangy : 260
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Solomona17
Daty : 16/02/2024 08:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0776