RAISO RY TOMPO (Si) (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Tompo ô! Indro atolotray anao
Ireto mofo sy divay
Tsy hafa fa vokatry ny asa izay natao
Voaloboka sy mofo tsy misy lalivay
Raiso ry Tompo fa vokatry ny fo
Ataovy tonga Vatana sy Ràn’I Jesoa

Ny Eokaristia no ankalazainay
Ny mofo ho tonga Nofo
Hiova Rà koa ny divay
Ekeo ry Tompo ô! Ekeo raha sitrakao
Ny divay hanjary ho Rà
Ny mofo hanjary ho Vatanao

2) Tompo ô! Indro atolotray anao
Ireto mofo sy divay
Tsy hafa fa vokatry ny asa izay natao
Voaloboka sy mofo tsy misy lalivay
Raiso ry Tompo, ekeo raha sitrakao
Ataovy tonga Vatana sy Ràn’ny Zanakao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)
Vangy : 114
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : RABEHAVANANA
Daty : 28/12/2023 09:20
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722